Ny Salamo

Toko faha-33

1 Mifalia ao amin'ny Tompo hianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.

2 MiderĂ  an'ny Tompo amin'ny harpa, mihirĂ  ho azy amin'ny valiha tory folo.

4 Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo, ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.

5 Tia ny rariny sy ny hitsiny izy; henika ny hatsaram-pon'ny Tompo ny tany.

12 Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!

13 Mijery Iaveh eny an-danitra; mahita ny zanak'olombelona rehetra izy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1171