Ny Salamo

Toko faha-33

12 Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!

13 Mijery Iaveh eny an-danitra; mahita ny zanak'olombelona rehetra izy;

14 eny amin'ny fitoeran'ny fonenany dia tazaniny ny mponina rehetra amin'ny tany,

15 dia izy mpamorona ny fon'izy rehetra, izy mpamantatra ny asan'izy rehetra.

20 Miandry an'ny Tompo amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika izy;

21 fa izy no ataon'ny fontsika foto-pifaliana, fa ny anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0476