Ny Salamo

Toko faha-33

2 Miderà an'ny Tompo amin'ny harpa, mihirà ho azy amin'ny valiha tory folo.

3 Mihirà fihiram-baovao ho voninahiny; ampiaraho amim-pahaizana amin'ny zava-maneno ny feonareo.

4 Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo, ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.

5 Tia ny rariny sy ny hitsiny izy; henika ny hatsaram-pon'ny Tompo ny tany.

12 Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!

22 Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao, araka ny anantenanay anao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1375