Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 33, 4-5,6,9,18-19,20,22,

       <4Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo,
ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.
       5Tia ny rariny sy ny hitsiny izy;
henika ny hatsaram-pon'ny Tompo ny tany.
       6Ny tenin'ny Tompo no nanaovana ny lanitra;
ary ny fofon'ain'ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
       9Fa niteny ihany izy, dia hary izao rehetra izao,
nandidy izy dia nisy ny zavatra rehetra.
       18Ny mason'ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy,
dia ireo manantena ny hatsaram-pony,
       19mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
       20Miandry an'ny Tompo amim-pitokiana ny fanahintsika;
famonjena antsika sy ampingantsika izy;
       22Iaveh รด, ho aminay anie ny fahasoavanao,
araka ny anantenanay anao! >