Ny Salamo
Salamo toko 34
Tohan'ny marina Iaveh.
1 Nataon'i Davida, tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
2 ALEPH
Te-hisaotra an'Iaveh mandrakariva aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana azy.
3 BETH
Iaveh no ireharehan'ny fanahiko;
aoka handre sy hifaly ny manetry tena.
4 GHIMEL
Miaraha amiko hianareo hankalaza an'Iaveh:
aoka isika hiara-midera ny anarany.
5 DALETH
Nitady an'Iaveh aho, dia nihaino ahy izy,
ary nanafaka ahy tamin'ny tahotro rehetra.
6 HE
Raha mitodika azy ny olona dia miramiran'ny hafaliana,
VAV
ary tsy safo-kenatra ny tavany.
7 ZAIN
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin'Iaveh,
sy novonjeny tamin'ny fahoriany rehetra.
8 HETH
Ny anjelin'Iaveh mitoby,
manodidina izay matahotra azy, ka mamonjy azy.
9 TETH
Andramo ka zahao ange izany hatsaran'Iaveh.
Sambatra ny olona manao azy ho fialofany.
10 YOD
Matahora an'Iaveh hianareo olo-masiny,
fa tsy ho voan'ny fahantrana izay matahotra azy.
11 KAPH
Ny liona tanora mety noana amam-tsy ampy hanina ihany,
fa izay mitady an'Iaveh tsy orin-java-tsoa akory.
12 LAMED
Avia, anaka, mihainoa ahy,
hampianariko ny fahatahorana an'Iaveh hianareo.
13 MEM
Iza no olona mankamamy ny aina,
iza no maniry andro lava hanaranam-po amin'ny fahasambarana?
14 NUN
Arovy amin'ny ratsy ny lelanao,
ary amin'ny teny fitaka ny molotrao.
15 SAMECH
Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara,
mitadiava fihavanana ary katsaho izany.
16 AIN
Ny mason'Iaveh mitsinjo ny marina
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
17 PHE
Ny tavan'Iaveh manandrina ny mpanao ratsy,
mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin'ny tany.
18 TSADE
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy Iaveh,
ka manafaka azy amin'ny fahoriany rehetra.
19 KOPH
Eo akaikin'izay torotoro Iaveh,
ary mamonjy izay rera-panahy izy.
20 RESCH
Iharam-pahoriana matetika ny marina,
fa esorin'Iaveh amin'izany rehetra izany kosa.
21 SCHIN
Miaro ny taolany rehetra izy,
tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray aza.
22 THAV
Ny ratsy no mahafaty ny ratsy fanahy;
ary sazina ny mpankahala ny olo-marina.
23 Fa avotan'Iaveh kosa ny fanahin'ny mpanompony;
ary tsy misy faizina izay rehetra mialoka aminy.