Ny Salamo
Toko faha-34
7 ZAIN Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin'ny Tompo, sy novonjeny tamin'ny fahoriany rehetra.8 HETH Ny anjelin'ny Tompo mitoby, manodidina izay matahotra azy, ka mamonjy azy.
10 YOD Matahora an'ny Tompo hianareo olo-masiny, fa tsy ho voan'ny fahantrana izay matahotra azy.
11 KAPH Ny liona tanora mety noana amam-tsy ampy hanina ihany, fa izay mitady an'ny Tompo tsy orin-java-tsoa akory.
12 LAMED Avia, anaka, mihainoa ahy, hampianariko ny fahatahorana an'ny Tompo hianareo.
13 MEM Iza no olona mankamamy ny aina, iza no maniry andro lava hanaranam-po amin'ny fahasambarana?