Ny Salamo

Toko faha-34

2 ALEPH Te-hisaotra an'ny Tompo mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana azy.

3 BETH Iaveh no ireharehan'ny fanahiko; aoka handre sy hifaly ny manetry tena.

4 GHIMEL Miaraha amiko hianareo hankalaza an'ny Tompo: aoka isika hiara-midera ny anarany.

5 DALETH Nitady an'ny Tompo aho, dia nihaino ahy izy, ary nanafaka ahy tamin'ny tahotro rehetra.

6 HE Raha mitodika azy ny olona dia miramiran'ny hafaliana, VAV ary tsy safo-kenatra ny tavany.

7 ZAIN Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin'ny Tompo, sy novonjeny tamin'ny fahoriany rehetra.

8 HETH Ny anjelin'ny Tompo mitoby, manodidina izay matahotra azy, ka mamonjy azy.

9 TETH Andramo ka zahao ange izany hatsaran'ny Tompo. Sambatra ny olona manao azy ho fialofany.

10 YOD Matahora an'ny Tompo hianareo olo-masiny, fa tsy ho voan'ny fahantrana izay matahotra azy.

11 KAPH Ny liona tanora mety noana amam-tsy ampy hanina ihany, fa izay mitady an'ny Tompo tsy orin-java-tsoa akory.

12 LAMED Avia, anaka, mihainoa ahy, hampianariko ny fahatahorana an'ny Tompo hianareo.

13 MEM Iza no olona mankamamy ny aina, iza no maniry andro lava hanaranam-po amin'ny fahasambarana?

14 NUN Arovy amin'ny ratsy ny lelanao, ary amin'ny teny fitaka ny molotrao.

15 SAMECH Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara, mitadiava fihavanana ary katsaho izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2814