Ny Salamo
Toko faha-34
2 ALEPH Te-hisaotra an'ny Tompo mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana azy.3 BETH Iaveh no ireharehan'ny fanahiko; aoka handre sy hifaly ny manetry tena.
4 GHIMEL Miaraha amiko hianareo hankalaza an'ny Tompo: aoka isika hiara-midera ny anarany.
5 DALETH Nitady an'ny Tompo aho, dia nihaino ahy izy, ary nanafaka ahy tamin'ny tahotro rehetra.
6 HE Raha mitodika azy ny olona dia miramiran'ny hafaliana, VAV ary tsy safo-kenatra ny tavany.
7 ZAIN Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin'ny Tompo, sy novonjeny tamin'ny fahoriany rehetra.