Ny Salamo

Salamo toko 34. 4-5,6-7,16-17,18-19,

       4 GHIMEL
Miaraha amiko hianareo hankalaza an'ny Tompo:
aoka isika hiara-midera ny anarany.
       5 DALETH
Nitady an'ny Tompo aho, dia nihaino ahy izy,
ary nanafaka ahy tamin'ny tahotro rehetra.
       6 HE
Raha mitodika azy ny olona dia miramiran'ny hafaliana,

VAV
ary tsy safo-kenatra ny tavany.
       7 ZAIN
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin'ny Tompo,
sy novonjeny tamin'ny fahoriany rehetra.
       16 AIN
Ny mason'ny Tompo mitsinjo ny marina
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
       17 PHE
Ny tavan'ny Tompo manandrina ny mpanao ratsy,
mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin'ny tany.
       18 TSADE
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy Iaveh,
ka manafaka azy amin'ny fahoriany rehetra.
       19 KOPH
Eo akaikin'izay torotoro Iaveh,
ary mamonjy izay rera-panahy izy.