Ny Salamo

Toko faha-35

1 Nataon'i Davida. Ry Iaveh ô, mameleza an'izay mamely ahy; miadia amin'izay miady amiko.

2 Raiso ny ampinga kely aman-dehibe, ka mitsangàna hianao hamonjy ahy!

3 Tsoahy ny lefona, sakano lalana izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Izaho no famonjena anao.

4 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hihemotra sy hangaihay izay mihevitra hampidi-doza amiko.

5 Aoka hanahaka ny akofa tsofin'ny rivotra izy, ka horoahin'ny anjelin'ny Tompo eo anatrehany.

6 Aoka ho maizina sady malama ny làlany, ary aoka hanenjika azy ny anjelin'ny Tompo.

7 Fa nanao fandri-totofana hamelezana ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; nihady ny lavaka hahaverezany ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy.

8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy, aoka ny fandrika nafeniny hahavoa azy; aoka ho latsaka sy matin'izany izy.

9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'ny Tompo, hiravoravo amin'ny famonjeny.

10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Iaveh ô, iza no tahaka anao, izay manafaka ny malahelo amin'ny mahery noho izy, mbamin'ny malahelo sy ny mahantra amin'izay mamabo azy?

11 Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin'ny zavatra tsy fantatro.

12 Mamaly ratsy ny soa izy amiko, ka latsaka am-pandaozana ny fanahiko.

13 Izaho anefa, fony izy ireo narary, nitafy lamba fivalozana, nampijaly ny aiko tamin'ny fifadian-kanina, ary ny fivavahako niverina tao ampofoako.

14 Nandeha midanesaka aho, toy ny malahelo sakaiza aman-drahalahy, nitanondrika tamin'alahelo, toy ny misaona reny aho.

15 Kanjo ankehitriny nony mangozohozo aho, mifaly sy miravo izy ireo, mivory takona ahy, hamely ahy ny mpanoso-dratsy; mamiravira ahy tsy an-kijanona izy ireo.

16 Mova tsy ny mpitakarina veta mpanao vava mananihany, mikotro-nify ery izy amiko.

17 Tompo ô, mandra-pahoviana no hojerenao izany? Tsoahy amin'ny fanenjehan'ireo ny fanahiko, ary amin'ny hasahian'ireo liona ireo, ny aiko!

18 Hidera anao eo amin'ny fivorian-dehibe aho; hankalaza anao eo afovoan'ny vahoaka be aho.

19 Aoka tsy hifalian'izay mamely ahy foana aho! Aoka tsy hihiringiri-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana!

20 Fa tsy mba fitenin-pihavanana no fitenin'ireny, fa fitaka hamelezana ny mponina mandry fahizay no saintsaininy.

21 Atanatanany amiko ny vavany, dia hoy izy: Hià, sakoa izay, masonay no nahita...

22 Ry Iaveh ô, hitanao izao. Aza dia mety mangina fotsiny; Tompo ô, aza manalavitra ahy!

23 Miarena ka mitsangàna hampahazo ahy ny rariny sy hiaro ahy amin'ny adiko, ry Andriamanitro sy Tompoko ô.

24 Tsarao araka ny fahamarinanao aho, ry Iaveh Andriamanitro ô, ary aoka tsy ho foto-pifaliany aho.

25 Aoka izy tsy hanao anakam-po hoe: Afa-po ny fanahintsika. Aoka izy tsy hanao hoe: Laninay iny.

26 Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly noho ny loza manjo ahy. Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka, izay mitsangan-kamely ahy!

27 Fa aoka hifaly sy hiravoravo kosa, ireo maniry ny hahazoako ny rariny! Aoka ireo hanao mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'ny Tompo izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony!

28 Ary ny lelako hankalaza ny fahamarinanao, hanao fiderana anao isan'andro isan'andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0922