Ny Salamo

Salamo toko 37
Ny tsy fitovian'ny anjaran'ny marina sy ny meloka.

       1 Nataon'i Davida.

ALEPH
Aza tezitra noho ny amin'ny mpanao ratsy,
na mitsiriritra ny toetr'izay mpanao heloka.
       2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra ireny,
ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
       3 BETH
Matokia an'Iaveh, ary manaova soa;
monena amin'ny tany ary manarana fo amin'ny fahatokiany.
       4 Iaveh no ataovy firavoravoanao,
dia omeny anao izay irin'ny fonao.
       5 GHIMEL
Ankino amin'Iaveh ny anjaranao,
dia matokia, azy, fa dia hanao izy;
       6 hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao;
ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
       7 DALETH
Mitoera amim-pahanginana, eo anatrehan'Iaveh ary manantenà azy;
aza tezitra noho ny amin'izay ambinina amin'ny làlany,
dia ny olona mahomby amin'ny tetik'adiny.
       8 HE
Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana;
aza misafoaka foana ka hipaka amin'ny ratsy.
       9 Fa ny ratsy fanahy hofongorana;
ary izay matoky an'Iaveh no hanana ny tany.
       10 VAV
Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy;
mijery ny fitoerany hianao, fa efa nanjavona izy.
       11 Ny malemy fanahy no hanana ny tany;
ka ho finaritra mankafy fiadanana lehibe.
       12 ZAIN
Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina,
sady manidy vazana aminy.
       13 Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy,
satria hitany fa tonga ny androny.
       14 HETH
Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany
handavo ny ory sy ny malahelo,
hamono izay mahitsy làlana.
       15 Ny sabany hiditra amin'ny fony ihany;
ary ny tsipìkany ho tapatapaka!
       16 TETH
Aleo ny kely ananan'ny olo-marina,
toy izay ny be ananan'ny olon-dratsy maro;
       17 fa ny sandrin'ny mpanao ratsy, ho tapatapaka;
ary ny olo-marina kosa hotohanan'Iaveh.
       18 YOD
Fantatr'Iaveh ny andron'ny marina;
ary ny lovany haharitra mandrakizay.
       19 Tsy mba menatra izy amin'ny andron'ny fahoriany;
ary ho voky amin'ny taona mosarena.
       20 KAPH
Fa ny ratsy fanahy kosa levona;
ny fahavalon'Iaveh hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona
ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona.
       21 LAMED
Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina,
fa ny marina kosa be antra ka manome.
       22 Izay tahin'Iaveh hanana ny tany;
izay ozoniny dia hofongorina.
       23 MEM
Iaveh no mahamafy ny dian'ny olo-marina;
ary mankasitraka ny làlany.
       24 Raha lavo aza izy tsy mba miampatra amin'ny tany;
Fa Iaveh mitantana azy.
       25 NUN
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny;
fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina,
na ny taranany nangataka hanina.
       26 Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra;
ary mahazo fanambinana ny taranany.
       27 SAMECH
Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,
dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.
       28 Fa tian'Iaveh ny rariny,
ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.
Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,
fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
       29 Hanana ny tany ny olo-marina,
dia honina eo mandrakizay.
       30 PHE
Milaza fahendrena ny vavan'ny marina;
ary manambara ny rariny ny lelany,
       31 ny lalàn'Andriamaniny dia ao am-pony,
tsy mba solafaka ny diany.
       32 TSADE
Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina,
ka mitady izay hahafaty azy;
       33 fa Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tànany;
ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy.
       34 KOPH
Miandrasa an'Iaveh, ary araho ny làlany,
dia hanandratra anao izy, ka hanana ny tany hianao;
raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.
       35 RESCH
Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin'ny fanaperam-pahefana aho,
nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy.
       36 Nandalo aho dia tsy teo intsony izy;
nitady azy aho fa tsy hita intsony izy.
       37 SCHIN
Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy;
fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana.
       38 Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa;
ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorina.
       39 THAV
Avy amin'Iaveh no ihavian'ny famonjena ny marina;
mpiaro azy amin'ny andron'ny fahoriana izy.
       40 Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy;
manafaka amin'ny ratsy fanahy sy mamonjy azy izy,
satria izy no nataony fototry ny fitokiany.