Ny Salamo
Toko faha-37
5 GHIMEL Ankino amin'ny Tompo ny anjaranao, dia matokia, azy, fa dia hanao izy;6 hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
30 PHE Milaza fahendrena ny vavan'ny marina; ary manambara ny rariny ny lelany,
31 ny lalàn'Andriamaniny dia ao am-pony, tsy mba solafaka ny diany.
39 THAV Avy amin'ny Tompo no ihavian'ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin'ny andron'ny fahoriana izy.
40 Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin'ny ratsy fanahy sy mamonjy azy izy, satria izy no nataony fototry ny fitokiany.
