Ny Salamo
Salamo toko 38
Fiantsoan'ny mpanota ny famindram-pon'Andriamanitra.
1Salamon'i Davida. Ho fampahatsiarovana.
2Ry Iaveh ô, aza mamay ahy amin'ny hatezeranao;
aza manasazy ahy amin'ny fahaviniranao.
3Fa nahavoa ahy ny zana-tsipìkanao;
ary nanindry ahy ny tànanao.
4Tsy misy salama ny nofoko noho ny hatezeranao;
ary tsy misy tsy marofy ny taolako noho ny fahotako.
5Fa misondrotra manafotra ny lohako ny fahotako,
toy ny enta-mavesatra izy mahareraka ahy amin'ny havesarany.
6maimbo sady mihady ny feriko,
azon'ny fahadalako.
7Mitanondrika rera-po indrindra aho,
mamindra amin'ny fisaonana mandavan'andro.
8Ny valahako hanin'ny aretina mahamay;
ary ny nofoko tsy misy salama.
9Osa loatra aho sy torovana izaitsizy,
velon-tsento aho noho ny tebitebin'ny foko.
10Tompo ô, eo anatrehanao avokoa ny faniriako,
ary tsy miafina aminao ny sentosentoko.
11Ny foko miemponempona, ny heriko nandao ahy;
ary ny fahiratan'ny masoko aza tsy ato amiko intsony.
12Manalavitra ny feriko ny sakaiza ama-namako,
ary ny havako mihatakataka amiko.
13izay mitady ny aiko mamela-pandrika;
izay mikendry ny fahoriako manonona fandrahonana,
tontolo andro izy misaina tetik'ady.
14Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare;
efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.
15Mova aho tsy ny olona tsy mandre,
izay manan-kavaly haloaky ny vavany.
16Ao aminao, ry Iaveh, ny fanantenako;
hianao, ry Tompo Andriamanitro, no hamaly!
17Fa hoy izaho: Enga ka tsy ho antom-pifaliany aho,
enga anie ka tsy hitsangan-kamely ahy izy ireo raha mangozohozo ny tongotro.
18Fa mila ho lavo aho,
ary eo anatrehako lalandava ny alaheloko.
19Fa dia miaiky ny heloko aho;
raiki-tahotra aho noho ny fahotako.
20Ny fahavaloko be aina ary mahery;
izay mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana nitombo isa.
21Mamay ratsy ny soa izy ireo amiko;
mankahala ahy izy noho izaho mitady ny rariny.
22Aza ilaozanao aho, ry Iaveh ô!
Aza halavirinao aho, ry Andriamanitro ô!
23Faingàna hamonjy ahy hianao,
ry Tompo, hianao ilay famonjena ahy! >