Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 3, 2-3,4-5,6-7,

       <2Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan'ny fahavaloko!
Endrey ity habetsahan'ireo mitsangan-kamely ahy!
       3Maro ny milaza ny amiko manao hoe:
Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin'Andriamanitra! - Selà.
       4Kanefa, ry Iaveh, hianao no ampingako;
hianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.
       5Miantso an'ny Tompo amin'ny feoko aho,
dia mamaly ahy any an-tendrombohiny masina izy. - Selà.
       6Nandry aho dia natory;
nifoha indray aho, fa Iaveh no tohako.
       7Tsy matahotra aho, eo anoloan'ny vahoaka tsy tambo isaina,
izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza. >