Ny Salamo
Salamo toko 4
Ny hafaliana amam-piadanan'izay matoky an'Andriamanitra.
1 Ho an'ny mpampianatra hira amin'ny zava-maneno tendrena. Salamon'i Davida.
2 Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso anao,
hianao izay mahalalaka ahy amin'izay mahaporitra ahy.
Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.
3 Ry zanak'olombelona ô, mandra-pahoviana no ho voatsiratsira ny voninahitro?
Mandra-pahoviana no hitiavanareo ny zava-poana,
sy hitadiavanareo ny lainga? - Selà.
4 Fantatro fa efa nofantenan'Iaveh ho azy ny olon-tia vavaka iray;
ka mihaino Iaveh raha miantso azy aho.
5 Matahora ka aza manota intsony!
Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà.
6 Manatera sorom-pahamarinana,
ary matokia an'Iaveh.
7 Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana?
Ataovy miposaka aminay ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!
8 Fa hianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo,
amin'ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divainy vaovao.
9 Handry amim-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay;
fa hianao, ry Iaveh, dia hianao irery no mampitoetra ahy tsy amin'ahiahy.