Ny Salamo

Toko faha-40

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Salamo.

2 Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.

3 Notsoahany tamin'ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin'ny fotaka mandrevo; najorony tamin'ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.

4 nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an'ny Tompo, sy matoky azy.

5 Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin'ny Tompo, ka tsy mivadika hankamin'ny mpiavonavona sy amin'izay maniasia entin'ny lainga.

6 Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha aminao. Maniry hitory sy hanambara an'ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina izy.

7 Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra, notevehinao ny sofiko; tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.

8 Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga, miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.

9 Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô! ary ny làlanao no ato anatin'ny foko.

10 Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho; sy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô

11 Tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao: hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin'ny fivorian-dehibe.

12 Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie hianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!

13 Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.

14 Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingana hamonjy ahy!

15 Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona!

16 Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: Hià, hià!

17 Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'ny Tompo! ireo tia ny famonjenao.

18 Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Hianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitro ô!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0367