Ny Salamo
Toko faha-40
7 Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra, notevehinao ny sofiko; tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.8 Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga, miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
9 Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô! ary ny làlanao no ato anatin'ny foko.
10 Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho; sy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô
17 Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'ny Tompo! ireo tia ny famonjenao.