Ny Salamo
Salamo toko 40. 2,4,7-10
2 Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra;
nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.
4 nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy,
hira fiderana ny Andriamanitsika;
maro no mahita izany ka manaja an'ny Tompo, sy matoky azy.
7 Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra,
notevehinao ny sofiko;
tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.
8 Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga,
miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
9 Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô!
ary ny làlanao no ato anatin'ny foko.
10 Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho;
sy hanakombona ny molotro aho,
fantatrao izany, ry Iaveh ô