Ny Salamo

Toko faha-40

2 Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.

4 nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an'ny Tompo, sy matoky azy.

7 Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra, notevehinao ny sofiko; tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.

8 Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga, miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.

10 Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho; sy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh รด

11 Tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao: hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin'ny fivorian-dehibe.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1075