Ny Salamo
Toko faha-40
2 Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.4 nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an'ny Tompo, sy matoky azy.
7 Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra, notevehinao ny sofiko; tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.
8 Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga, miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
9 Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô! ary ny làlanao no ato anatin'ny foko.
10 Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho; sy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô