Ny Salamo
Salamo toko 42
Faniriana ny ho eo amin'ny tempoly.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana nataon'ny taranak'i Kore.
2 Toy ny anirian'ny serfa ny loharano
no anirian'ny fanahiko anao, Andriamanitra ô!
3 Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona:
rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona eo anatrehan'ny tavan'Andriamanitra?
4 Ny ranomasoko no haniko andro aman'alina,
dia ny ilazan'ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
5 Mahatsiaro aho - ary amin'izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, -
nony namindra notronim-bahoaka aho,
nony nandroso ho ao an-tranon'Andriamanitra,
eo afovoan'ny hobim-pifaliana amam-pisaorana,
eo afovoan'ny vahoaka be manao fety!
6 Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko?
Manantenà an'Andriamanitra fa izaho mbola hidera azy,
izay famonjena ny tavako sy Andriamanitro!
7 Ketraka ny fanahiko ato anatiko,
ka izany no ahatsiarovako anao, eo amin'ny tanin'i Jordany,
mbamin'i Hermona, sy ny tendrombohitr'i Misara.
8 Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao,
ka ny onjan-drano aman-driakanao dia mandalo manafotra ahy avokoa.
9 Nandidy ny fahasoavany hitsidika ahy Iaveh, ny antoandro;
teo amin'ny molotro ny hirany, nony alina;
10 nanao fivavahana tamin'Andriamanitry ny aiko.
Ary izaho kosa, dia hoy aho amin'Andriamanitra vatolampiko: Nahoana no manadino ahy hianao?
11 Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr'alahelo, ampahorian'ny fahavalo?
Tsaroako vaky ny taolako nony latsain'ny fahavaloko aho,
12 ilazany tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko?
Manantenà an'Andriamanitra, fa izaho mbola hidera azy,
izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro.