Ny Salamo

Toko faha-43

1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; hiandreketo ny adiko amin'ny firenena mpamadika, afaho amin'ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!

2 Fa hianao no Andriamanitry ny fiarovana ahy; nahoana no dia atosikao aho? Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr'alahelo, ampahorian'ny fahavalo?

3 Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao, dia hitarika ahy anie izany, ka hitondra ahy ho any amin'ny tabernakla amam-tendrombohitrao masina.

4 Ho ao amin'ny otelin'Andriamanitra, ho amin'ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako, ary hidera anao amin'ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!

5 Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra fa izaho mbola hidera azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1084