Ny Salamo

Salamo toko 43
-

       1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; hiandreketo ny adiko amin'ny firenena mpamadika,
afaho amin'ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!
       2 Fa hianao no Andriamanitry ny fiarovana ahy; nahoana no dia atosikao aho?
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr'alahelo, ampahorian'ny fahavalo?
       3 Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao, dia hitarika ahy anie izany,
ka hitondra ahy ho any amin'ny tabernakla amam-tendrombohitrao masina.
       4 Ho ao amin'ny otelin'Andriamanitra, ho amin'ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako,
ary hidera anao amin'ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!
       5 Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko?
Manantenà an'Andriamanitra fa izaho mbola hidera azy,
izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro!