Ny Salamo

Salamo toko 44
Vavaka amin'Andriamanitra fatra-pitia ny vahoakany fahiny; hampody azy avy any am-paravazan-tany misy azy ankehitriny.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Fihirana.
       2 Andriamanitra ô, ny sofinay nandre,
ny razanay nitantara taminay,
ny asa nataonao tamin'ny androny, tamin'ny andro fahataloha.
       3 Nandroaka firenena hianao tamin'ny tànanao, hamponenana azy;
nikapoka vahoaka hianao hanitarana azy.
       4 Satria tsy ny sabatr'izy ireo no nahazoany ny tany,
tsy ny sandrin'izy ireo no nahazoany fandresena,
fa ny tànanao ankavanana, ny sandrinao,
ny fahazavan'ny tavanao, satria tia azy hianao.
       5 Hianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ocirc;!
Mandidia ny famonjena ho an'i Jakoba!
       6 Hianao no handavoanay ny fahavalonay,
ny anaranao no anorotoroanay ny mpanohitra anay.
       7 Fa tsy matoky amin'izay tsipìkako aho;
tsy hahavonjy ahy ny sabatro.
       8 Fa hianao no manafaka anay amin'ny fahavalonay;
sy mampahamenatra an'ireo mankahala anay.
       9 Andriamanitra no ireharehanay isan'andro,
ary ny anaranao no derainay mandrakizay!
       10 Kanjo manosi-bohon-tànana sy manafo-kenatra anay hianao,
tsy miara-mivoaka amin'ny tafikay intsony.
       11 Ataonao mikoy eo anatrehan'ny fahavalo izahay,
ary baboin'ireo mankahala anay.
       12 Atolotrao toy ny ondry entin-kovonoina izahay;
aelinao amin'ny firenena izahay.
       13 Ataonao varoboba ny vahoakanao,
fa tsy asianao vidiny ohatrinona akory.
       14 Ataonao fandatsan'ny tany amam-monina izahay;
dia faneso amam-panarabian'ny manodidina anay.
       15 Ampanjarianao ho ambentin-tenin'ny firenena izahay
ka ihifikifihan-doha amin'ny vahoaka.
       16 Eo imasoko lalandava ny fangaihaiko,
ary safotry ny henatra ny tarehako,
       17 amin'ny feon'ny mpaneso amam-pamingavinga;
amin'ny fahitana ny fahavalo mbamin'izay mirehitra ny hamaly ratsy.
       18 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy nanadino anao izahay;
tsy nivadika tamin'ny fanekenao izahay.
       19 Tsy nihemotra hianotra ny fonay;
tsy niala tamin'ny làlanao ny dianay,
       20 no anorotoroanao anay eo amin'ny fieren'ny amboadia,
sy anaronanao anay amin'ny aloky ny fahafatesana.
       21 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitra izahay,
sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa,
       22 tsy ho hitan'Andriamanitra va izany,
nefa ny miafina ao am-po aza fantany?
       23 Hianao ihany anefa no amonoana anay isan'andro,
sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa, entin-kovonoina.
       24 Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory hianao?
Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!
       25 Nahoana no dia afeninao ny tavanao,
ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?
       26 Fa ny fanahinay, tafahohoka amin'ny vovoka,
ny vatanay tafaraikitra amin'ny tany!
       27 Mitsangàna hamonjy anay,
afaho izahay noho ny hatsaram-ponao.