Ny Salamo

Toko faha-44

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Fihirana.

2 Andriamanitra ô, ny sofinay nandre, ny razanay nitantara taminay, ny asa nataonao tamin'ny androny, tamin'ny andro fahataloha.

3 Nandroaka firenena hianao tamin'ny tànanao, hamponenana azy; nikapoka vahoaka hianao hanitarana azy.

4 Satria tsy ny sabatr'izy ireo no nahazoany ny tany, tsy ny sandrin'izy ireo no nahazoany fandresena, fa ny tànanao ankavanana, ny sandrinao, ny fahazavan'ny tavanao, satria tia azy hianao.

5 Hianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ocirc;! Mandidia ny famonjena ho an'i Jakoba!

6 Hianao no handavoanay ny fahavalonay, ny anaranao no anorotoroanay ny mpanohitra anay.

7 Fa tsy matoky amin'izay tsipìkako aho; tsy hahavonjy ahy ny sabatro.

8 Fa hianao no manafaka anay amin'ny fahavalonay; sy mampahamenatra an'ireo mankahala anay.

9 Andriamanitra no ireharehanay isan'andro, ary ny anaranao no derainay mandrakizay!

10 Kanjo manosi-bohon-tànana sy manafo-kenatra anay hianao, tsy miara-mivoaka amin'ny tafikay intsony.

11 Ataonao mikoy eo anatrehan'ny fahavalo izahay, ary baboin'ireo mankahala anay.

12 Atolotrao toy ny ondry entin-kovonoina izahay; aelinao amin'ny firenena izahay.

13 Ataonao varoboba ny vahoakanao, fa tsy asianao vidiny ohatrinona akory.

14 Ataonao fandatsan'ny tany amam-monina izahay; dia faneso amam-panarabian'ny manodidina anay.

15 Ampanjarianao ho ambentin-tenin'ny firenena izahay ka ihifikifihan-doha amin'ny vahoaka.

16 Eo imasoko lalandava ny fangaihaiko, ary safotry ny henatra ny tarehako,

17 amin'ny feon'ny mpaneso amam-pamingavinga; amin'ny fahitana ny fahavalo mbamin'izay mirehitra ny hamaly ratsy.

18 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy nanadino anao izahay; tsy nivadika tamin'ny fanekenao izahay.

19 Tsy nihemotra hianotra ny fonay; tsy niala tamin'ny làlanao ny dianay,

20 no anorotoroanao anay eo amin'ny fieren'ny amboadia, sy anaronanao anay amin'ny aloky ny fahafatesana.

21 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitra izahay, sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa,

22 tsy ho hitan'Andriamanitra va izany, nefa ny miafina ao am-po aza fantany?

23 Hianao ihany anefa no amonoana anay isan'andro, sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa, entin-kovonoina.

24 Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory hianao? Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!

25 Nahoana no dia afeninao ny tavanao, ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?

26 Fa ny fanahinay, tafahohoka amin'ny vovoka, ny vatanay tafaraikitra amin'ny tany!

27 Mitsangàna hamonjy anay, afaho izahay noho ny hatsaram-ponao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912