Ny Salamo
Toko faha-44
10 Kanjo manosi-bohon-tànana sy manafo-kenatra anay hianao, tsy miara-mivoaka amin'ny tafikay intsony.11 Ataonao mikoy eo anatrehan'ny fahavalo izahay, ary baboin'ireo mankahala anay.
14 Ataonao fandatsan'ny tany amam-monina izahay; dia faneso amam-panarabian'ny manodidina anay.
15 Ampanjarianao ho ambentin-tenin'ny firenena izahay ka ihifikifihan-doha amin'ny vahoaka.
24 Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory hianao? Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!
25 Nahoana no dia afeninao ny tavanao, ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?