Ny Salamo
Salamo toko 45
Fankalazana ny fampakaram-badin'ny mpanjaka.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny lisy. Nataon'ny taranak'i Kore. Hiram-pitiavana.
2 Hira mahafinaritra no miboiboika avy ao am-poko;
hoy aho: Ho an'ny mpanjaka anankiray no alahatro!
Manahaka ny penina faingam-panoratra ny lelako.
3 Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona hianao;
feno fahafinaretana ny molotrao,
ka noho izany dia notahin'Andriamanitra mandrakizay hianao.
4 Sikino amin'ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery,
tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.
5 Iakaro ny kalesinao, ka mandrosoa amin'ny fiandriananao,
mikatroha hiaro ny fahamarinana, ny halemem-panahy, ny rariny;
ary ny tànanao ankavanana anie hahavitanao asa mahagaga.
6 Maranitra ny zana-tsipìkanao;
firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao. -
Hotrabaran'ireny ny fon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
7 Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandrianana;
tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
8 Tia ny rariny hianao, fa mankahala ny heloka;
ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao
tamin'ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.
9 Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra;
mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.
10 Zanakavavin'Andriamanjaka no isan'ny malalanao;
ny mpanjakavavy miravaka volamenan'i Ofira no eo ankavananao.
11 Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina:
hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,
12 dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka
fa tomponao izy; ka tolory fanajana.
13 Mitondra fanatitra ny zanakavavin'i Tira
mbamin'ny manan-karena amin'ny vahoaka, hitady fitia aminao.
14 Feno famirapiratana ny zanakavavin'ny mpanjaka, ao anatin'ny trano:
volamena voatenona no itafiany.
15 Miakanjo misoratsoratra izy, no entina ao amin'ny mpanjaka;
manaraka azy misy zazavavy namany entina ho ao aminao.
16 Ampandrosoina amim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo,
dia miditra ao an-dapan'ny mpanjaka.
17 Ny zanakao no hisolo toerana ny rainao;
hatsanganao ho mpanapaka amin'ny tany rehetra izy ireo.
18 Hampahatsiaro ny anaranao amin'ny taona rehetra aho;
ka hidera anao mandrakizay mandrakizay ny firenena.