Ny Salamo

Salamo toko 46
Fitokian'Israely ny fiarovan'Andriamanitra.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Amin'ny feon'ny virjiny. - Hira.
       2 Andriamanitra no arontsika sy herintsika,
famonjena azo mandrakariva amin'ny fahoriana.
       3 Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany,
na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,
       4 na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina,
ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
       5 Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan'Andriamanitra;
ny fonenana masina onenan'ny Avo indrindra.
       6 Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina izy;
vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.
       7 Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana;
vao nampandre ny feony izy dia nihotsaka matahotra ny tany.
       8 Iavehn'ny tafika momba antsika;
ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.
       9 Avia, jereo ny asan'Iaveh,
dia ny fandravana nataony tety an-tany!
       10 Ny ady natsahany hatramin'ny faran'ny tany;
ny tsipìka notapahany; ny lefona nofolahany;
ny kalesy fiadiana nodorany tamin'ny afo.
       11 Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra aho,
manapaka ny firenena, manjaka amin'ny tany!
       12 Iavehn'ny tafika momba antsika;
ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.