Ny Salamo
Salamo toko 47
Tokony hidera an'Iaveh Andriamanitry ny tany rehetra.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Salamo.
2 Mitehafa tanana hianareo rehetra, ry vahoaka isany,
miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana!
3 Fa avo indrindra Iaveh sy tokony hatahorana,
mpanjaka lehibe amin'ny tany rehetra.
4 Vahoaka no ampanekeny antsika;
firenena no ataony ambanin'ny tongotsika.
5 Nifidy ny lova ho antsika izy,
ny voninahitr'i Jakoba olo-malalany. - Selà.
6 Miakatra ho any amin'ny fitoerana masina ombam-pihobiana Andriamanitra.
Miakatra Iaveh omban'ny feon-trompetra.
7 Mihirà ho an'Andriamanitra, mihirà!
Mihirà ho an'ny mpanjakantsika, mihirà!
8 Fa mpanjakan'ny tany rehetra Andriamanitra;
ka mihirà hira fiderana.
9 Manjaka amin'ny firenena Andriamanitra,
mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany masina izy.
10 Ireo mpanapaka ny firenena mivory,
mba ho tonga vahoakan'Andriamanitr'i Abrahama koa izy ireo;
fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany,
voasandratra ambony indrindra izy.