Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 47, 2-3,8-9,10,

       <2Mitehafa tanana hianareo rehetra, ry vahoaka isany,
miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana!
       3Fa avo indrindra Iaveh sy tokony hatahorana,
mpanjaka lehibe amin'ny tany rehetra.
       8Fa mpanjakan'ny tany rehetra Andriamanitra;
ka mihirà hira fiderana.
       9Manjaka amin'ny firenena Andriamanitra,
mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany masina izy.
       10Ireo mpanapaka ny firenena mivory,
mba ho tonga vahoakan'Andriamanitr'i Abrahama koa izy ireo;
fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany,
voasandratra ambony indrindra izy. >