Ny Salamo
Toko faha-48
2 Lehibe Iaveh, izy no alehan'ny fiderana rehetra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, amin'ny tendrombohitra masina.3 Mitsangana mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Siona, eo amin'ny fara-vazan-tany avaratra, ny tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
4 Ao an-dapany, Andriamanitra, niseho ho fiarovana.
10 Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran'ny hatsaram-ponao izahay, ao anatin'ny tempolinao.
11 Tahaka ny anaranao, ry Andriamanitra, toy izany koa ny fiderana anao tonga hatrany am-para-vazan-tany. Feno fahamarinana ny tànanao ankavanana.
