Ny Salamo
Salamo toko 49
Aoka ny marina tsy ho tafintohina amin'ny fahitana ny ratsy fanahy ambinina.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'ny taranak'i Kore.
2 Mihainoa izao, hianareo rehetra, ry vahoaka isany;
manongilana sofina hianareo rehetra, ry mponina amin'izao tontolo izao,
3 na ny ambony na ny ambany,
na ny manan-karena na ny mahantra tsy an-kanavaka.
4 Fa hampandre teny hendry ny vavako;
ary misy hevitra feno fahalalana ato am-poko.
5 Manongilan-tsofina amin'oha-teny ambaran'Andriamanitra aho,
mivaofy ny ankamantatro amin'ny feon'ny harpa aho.
6 Nahoana no hatahotra aho, amin'ny andron'ny fahoriana,
raha manodidina ahy ny haratsian'ny mpanenjika ahy?
7 Ireny dia mitoky amin'ny hareny,
mirehareha amin'ny haben'ny ananany!
8 Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny akory,
na mahaloa ny avony amin'Andriamanitra.
9 Fa be loatra ny vidin'ainy,
ka tsy azo atao mandrakizay, ny manavotra azy,
10 mba hahavelona azy mandrakizay
ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.
11 Tsy maintsy ho hitany: ny olon-kendry maty;
ny adala aman-ketrina koa levona torak'izany,
ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
12 Heverin'izy ireo fa ho mandrakizay ny tranony;
ka haharitra mandritra ny taona mifandimby ny fonenany,
ary tononiny amin'ny anarany ny taniny.
13 Kanjo tsy maharitra, na amin'ny voninahiny aza, ny olombelona:
mitovy amin'ny biby izay levona koa izy.
14 Izany no alehan'ireo olona be hambo loatra,
mbamin'izay manaraka azy, manaiky ny teniny. - Selà.
15 Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin'ny Seoly,
ny fahafatesana no mpiandry azy.
Manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy,
ary ny ambiroany dia hihalevona any amin'ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.
16 Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny Seoly,
fa handray ahy ho any aminy izy. - Selà.
17 Aza matahotra ary, raha misy olona tonga manan-karena,
ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.
18 Fa tsy hahatondra na inona na inona izy, rahefa maty; tsy hidina miaraka aminy ny harem-beny.
19 Na manao ny tenany ho sambatra aza izy amin'ny andro iainany;
na midera anao amin'ny fifaliana anarananao fo aza ny olona;
20 dia handeha hianao hikambana amin'ny razanao
izay tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay.
21 Ny olombelona na dia ao anatin'ny voninahiny aza, dia tsy mahafantatra;
mitovy amin'ny biby izay levona izy.