Ny Salamo
Toko faha-4
2 Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso anao, hianao izay mahalalaka ahy amin'izay mahaporitra ahy. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.4 Fantatro fa efa nofantenan'ny Tompo ho azy ny olon-tia vavaka iray; ka mihaino Iaveh raha miantso azy aho.
7 Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!
9 Handry amim-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay; fa hianao, ry Iaveh, dia hianao irery no mampitoetra ahy tsy amin'ahiahy.