Ny Salamo

Toko faha-5

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny sodina. Salamon'i Davida.

2 Mampandria ny sofinao amin'ny teniko, ry Iaveh, henoy ny sentosentoko.

3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa hianao no andefasako ny fivavahako.

4 Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko hianao: vao maraina dia atolotro anao ny faniriako ka miandry aho.

5 Fa hianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra aminao.

6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao; ny mpanao ratsy halanao avokoa.

7 Ny mpiteny lainga aringanao; ny mpandatsa-dra amam-pamitaka, halan'ny Tompo.

8 Ary ny amiko, noho ny famindram-ponao lehibe, dia handeha ho ao an-tranonao aho; hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana anao aho.

9 Tompo ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko, ataovy marina amin'ny diako ny làlanao.

10 Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana; ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana; ny tendany, fasana misokatra; ataony malefadefaka ny lelany.

11 Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafahodina aminao.

12 Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra aminao; hafaliana tsy mety tapaka no azy; dia hiaro azy hianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny anaranao.

13 Fa mitahy ny marina hianao, ry Iaveh, ataonao manodidina azy, toy ny ampinga, ny fankasitrahana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0824