Ny Salamo
Salamo toko 5
Fivavaky ny marina manohitra ny tsy mpivavaka.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny sodina. Salamon'i Davida.
2 Mampandria ny sofinao amin'ny teniko, ry Iaveh,
henoy ny sentosentoko.
3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro,
fa hianao no andefasako ny fivavahako.
4 Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko hianao:
vao maraina dia atolotro anao ny faniriako ka miandry aho.
5 Fa hianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy;
ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra aminao.
6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao;
ny mpanao ratsy halanao avokoa.
7 Ny mpiteny lainga aringanao;
ny mpandatsa-dra amam-pamitaka, halan'Iaveh.
8 Ary ny amiko, noho ny famindram-ponao lehibe,
dia handeha ho ao an-tranonao aho;
hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana anao aho.
9 Tompo ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko,
ataovy marina amin'ny diako ny làlanao.
10 Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana;
ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana;
ny tendany, fasana misokatra;
ataony malefadefaka ny lelany.
11 Faizo izy, Andriamanitra ô!
Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy;
noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo,
satria tafahodina aminao.
12 Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra aminao;
hafaliana tsy mety tapaka no azy;
dia hiaro azy hianao;
hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny anaranao.
13 Fa mitahy ny marina hianao, ry Iaveh,
ataonao manodidina azy, toy ny ampinga, ny fankasitrahana.