Ny Salamo
Toko faha-5
2 Mampandria ny sofinao amin'ny teniko, ry Iaveh, henoy ny sentosentoko.3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa hianao no andefasako ny fivavahako.
5 Fa hianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra aminao.
6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao; ny mpanao ratsy halanao avokoa.
7 Ny mpiteny lainga aringanao; ny mpandatsa-dra amam-pamitaka, halan'ny Tompo.