Ny Salamo

Toko faha-50

1 Salamon'i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatramin'ny filentehany.

2 Avy ao Siona, fahatsaran-tarehy lavorary, no amirapiratan'Andriamanitra.

3 Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina; afo mandevona no eo alohany, tafio-drivotra mahery no manodidina azy.

4 Miantso ny lanitra ambony izy, mbamin'ny tany koa, mba hitsara ny vahoakany.

5 Anangony izay miraiki-po amiko aho, dia ireo nanao fanekena amiko, amin'ny sorona.

6 Ary mitory ny fahamarinany ny lanitra, fa Andriamanitra no ndeha hitsara. - Selà.

7 Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho; henoy, ry Israely, fa hananatra aho, Izaho no Elohima, Andriamanitrao.

8 Tsy ny amin'ny soronao no aniniako anao, fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.

9 Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao aho, na izay osilahy ao am-balanao.

10 Fa ahy avokoa ny biby any an'ala, mbamin'ny biby eny an-tendrombohitra, an'arivony.

11 Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra, ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.

12 Raha mba noana aho, tsy hilaza aminao akory, fa ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.

13 Moa mihinana izay nofon'ombalahy va aho? Moa misotro izay ran'osilahy va aho?

14 Ny fisaorana no atero ho sorona ho an'Andriamanitra, ary efao amin'ny Avo indrindra ny voadinao.

15 Antsoy amin'ny andron'ny fahoriana aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra ahy hianao.

16 Fa amin'ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko,

17 izay hianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao?

18 Raha mahita mpangalatra hianao, dia vary lena hianao sy izy, ary miombona amin'ny mpaka vadin'olona hianao.

19 Ny vavanao, alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao manira fitaka.

20 Mipetraka hianao, dia miteny mamely ny rahalahinao, sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao.

21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany aho, ka dia noheverinao fa mitovy aminao aho, kanjo indro aho hananatra anao, sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.

22 Koa mitandrema ary, hianareo manadino an'Andriamanitra, fandrao ataoko potika, ka tsy hisy hamonjy.

23 Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy; ary izay mandamina ny làlany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3944