Ny Salamo

Toko faha-50

1 Salamon'i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatramin'ny filentehany.

8 Tsy ny amin'ny soronao no aniniako anao, fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.

12 Raha mba noana aho, tsy hilaza aminao akory, fa ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.

13 Moa mihinana izay nofon'ombalahy va aho? Moa misotro izay ran'osilahy va aho?

14 Ny fisaorana no atero ho sorona ho an'Andriamanitra, ary efao amin'ny Avo indrindra ny voadinao.

15 Antsoy amin'ny andron'ny fahoriana aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra ahy hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0587