Ny Salamo

Toko faha-50

1 Salamon'i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatramin'ny filentehany.

2 Avy ao Siona, fahatsaran-tarehy lavorary, no amirapiratan'Andriamanitra.

5 Anangony izay miraiki-po amiko aho, dia ireo nanao fanekena amiko, amin'ny sorona.

6 Ary mitory ny fahamarinany ny lanitra, fa Andriamanitra no ndeha hitsara. - SelĂ .

14 Ny fisaorana no atero ho sorona ho an'Andriamanitra, ary efao amin'ny Avo indrindra ny voadinao.

15 Antsoy amin'ny andron'ny fahoriana aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra ahy hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1148