Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 50, 8-9,16bc-17,21,23,

       <8Tsy ny amin'ny soronao no aniniako anao,
fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.
       9Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao aho,
na izay osilahy ao am-balanao.
       16Fa amin'ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra:
Ahoana no mba anononanao ny lalàko,
sy anaovanao am-bava ny fanekeko,
       17izay hianao olona mankahala fifehezana,
sy manifika ny teniko any ivohonao?
       21Izany no nataonao, nefa nangina ihany aho,
ka dia noheverinao fa mitovy aminao aho,
kanjo indro aho hananatra anao, sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.
       23Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy;
ary izay mandamina ny làlany
no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra. >