Ny Salamo
Salamo toko 51. 3-4,12-13,18-19,
3 Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao;
vonoy ny hadisoako, araka ny haben'ny famindram-ponao.
4 Sasao tanteraka aho amin'ny heloko,
ary diovy aho amin'ny fahotako.
12 Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho;
ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko.
13 Aza ariana lavitra ny tavanao aho;
aza esorina amiko ny fanahinao masina.
18 Tsy sitrakao ny sorona, - fa homeko raha tianao izany; -
tsy mahafaly anao ny sorona dorana.
19 Fa fanahy torotoro no sorona ho an'Andriamanitra;
aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.