Ny Salamo
Salamo toko 51, 3-4,5-6a,12-13,14,17,
<3Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao;
vonoy ny hadisoako, araka ny haben'ny famindram-ponao.
4Sasao tanteraka aho amin'ny heloko,
ary diovy aho amin'ny fahotako.
5Fa mihaiky ny hadisoako aho,
ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
6Taminao irery ihany no nanotako;
nanao izay ratsy eo imasonao aho,
mba ho hitan'ny olona fa marina hianao amin'ny teny fitsaranao,
ka tsy manan-tsiny, amin'ny fitsaranao.
12Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho;
ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko.
13Aza ariana lavitra ny tavanao aho;
aza esorina amiko ny fanahinao masina.
14Ampodio ny fifaliana amin'ny famonjenao,
ary tohany amin'ny fananana fo mazoto aho.
17Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hitory ny fiderana anao ny vavako. >