Ny Salamo
Salamo toko 51. 3-4,5-6a,18-19,
3 Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao;
vonoy ny hadisoako, araka ny haben'ny famindram-ponao.
4 Sasao tanteraka aho amin'ny heloko,
ary diovy aho amin'ny fahotako.
5 Fa mihaiky ny hadisoako aho,
ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
6 Taminao irery ihany no nanotako;
nanao izay ratsy eo imasonao aho,
mba ho hitan'ny olona fa marina hianao amin'ny teny fitsaranao,
ka tsy manan-tsiny, amin'ny fitsaranao.
18 Tsy sitrakao ny sorona, - fa homeko raha tianao izany; -
tsy mahafaly anao ny sorona dorana.
19 Fa fanahy torotoro no sorona ho an'Andriamanitra;
aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.