Ny Salamo
Salamo toko 52
Matoky foana ny ratsy fanahy.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Hira nataon'i Davida, 2 fony Doega, Edomita, tonga nilaza tamin'i Saola hoe: Nankany an-tranon'i Akimeleka Davida.
3 Ahoana no mirehareha amin'ny haratsianao, ry ilay mahery!
- Maharitra mandrakizay ny hatsaram-pon'Andriamanitra! -
4 Tsy misaina afa-tsy ny ratsy ny lelanao,
mova tsy ny antsy maranitra, ry mpihatsaravelatsihy!
5 Aleonao ny ratsy toy izay ny soa;
ny lainga, toy izay ny marina. - Selà.
6 Ny teny mamohehatra rehetra no tianao,
ry lela mpandainga!
7 ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa;
hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao hianao,
dia hofongorany eo amin'ny tanin'ny velona. - Selà.
8 Hahita izany ny marina, dia hatahotra,
ka hihomehy azy hoe:
9 io no olona tsy nanao an'Andriamanitra ho mandany,
fa nitoky tamin'ny habetsahan'ny hareny,
sy nihambo tamin'ny haratsiany!
10 Fa izaho kosa dia toy ny oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra,
ny hatsaram-pon'Andriamanitra no itokiako mandrakizay doria.
11 Hidera anao lalandava aho, fa nanao izany hianao;
ary hanantena ny anaranao aho, fa tsara izy,
eo anatrehan'ny miraiki-po aminao.