Ny Salamo

Salamo toko 53
Hadalana aman-tsazin'ny ratsy fanahy.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny feo mitaraina. Hiran'i Davida.
       2 Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra!
Efa simba izy ireo, nanao heloka vetaveta;
tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
       3 Mijery ny zanak'olombelona eny an-tampon'ny lanitra, Andriamanitra.
Mba hahita raha misy olona manan-tsaina eny;
na misy olona mitady an'Andriamanitra.
       4 Efa nania, efa tonga ratsy avokoa izy,
tsy misy iray akory manao ny tsara,
na dia iray monja ihany aza.
       5 Moa tsy manana fahalalana va ry zareo mpanao ratsy?
fa ny vahoakako haniny toy ny fihinan-kanina;
izy ireo tsy miantso an'Andriamanitra akory.
       6 Ho tera-kovitra ny tahotra tampoka izy ireo,
tsy misy anefa izay tokony hatahorany,
fa naelin'Andriamanitra ny taolan'izay nitoby hamely anao;
nampahamenatra azy hianao satria efa narian'Andriamanitra izy.
       7 Enga anie ka hivoaka avy ao Siona ny famonjena an'Israely!
Amin'ny fampodian'Andriamanitra ireo lasan-ko babo amin'ny vahoakany,
dia hifaly Jakoba, ary hiravoravo Israely.