Ny Salamo
Salamo toko 54
Fiantsoana vonjy amin'Andriamanitra, mba tsy ho voan'ny fandriky ny fahavalo.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Hiran'i Davida.
2 Fony ny Zifeana tonga nilaza tamin'i Saola hoe: Miery any aminay Davida.
3 Vonjeo aho, ry Andriamanitra, noho ny anaranao,
ary omeo ny rariny aho, noho ny herinao.
4 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra,
atongilano ny sofinao amin'ny teny aloaky ny vavako.
5 Fa misy olon-kafa firenena, mitsangan-kamely ahy;
misy olona mpanao an-keriny mitady ny aiko;
tsy manao an'Andriamanitra eo imasony izy. - Selà.
6 Indro, Andriamanitra no vonjiko,
ny Tompo no tohan'ny fanahiko.
7 Hanatsingerina ny ratsy amin'ny mpanohitra ahy izy.
Noho ny fahamarinanao dia aoka haringanao izy.
8 Hanatitra sorona aminao, amin'ny foko rehetra aho;
hidera ny anaranao aho, ry Iaveh, fa tsara izy.
9 Manafaka ahy amin'ny fahoriana rehetra izy;
ary faly mijery ny fahavaloko ny masoko.