Ny Salamo

Toko faha-55

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Hiran'i Davida.

2 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, aza iambohoanao ny fitarainako.

3 Henoy aho, ary valio koa! Efa miriorio be ihany, mitoreo sy mitoloko aho,

4 noho ny fandrahonan'ny fahavalo, sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; satria ampidirany loza aho, ary enjehiny amim-pahatezerana.

5 Ka ny foko mangorohoro ato anatiko; ny tahotra ny fahafatesana manindry ahy.

6 Ny hovitra amam-badi-po mamely ahy; ny horohoro koa manarona ahy.

7 Ary hoy aho: Endrey! raha manana elatry ny voromailala mantsy aho, dia hanidina sy hipetraka amim-piadanana;

8 dia handositra lavitra dia lavitra aho, ka honina any an'efitra any. - Selà.

9 Hitady fialofana faingana aho, lavitra ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra.

10 Tompo ô, aringano izy, ary akoroy ny fiteniny! fa ao an-tanàna dia heriny sy ady no hitako;

11 Voahodidiny andro aman'alina ny mandany; ny heloka sy ny fampahoriana no ao afovoany,

12 ny faharatsiana no ao anatiny; tsy mandao ny kianjany ny famoretana amam-pitaka.

13 Fa tsy mba hoe favahalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy: raha izany, hiery azy aho.

14 Fa hianao izay nataoko toy ny tenako; mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako.

15 Nifanerasera tamin-pifankahazarana mamy isika; niara-nandeha tamin'ny maro, ho any an-tranon'Andriamanitra isika.

16 Aoka ho azon'ny fahafatesana tampoka izy ireo, ka hidina velona any amin'ny Seoly! Fa ao amin'ny fonenany, ao afovoan'izy ireo, ny hasomparana.

17 Izaho kosa, Andriamanitra no antsoiko, ary Iaveh no hamonjy ahy.

18 Hariva, maraina, am-pamatonan'andro, mitaraina aho, mitoloko aho ka handre ny feoko izy.

19 Hanafaka ny fanahiko amin'ny ady amelezany ahy, ho amin'ny fiadanana, izy, fa maro ry zareo miady amiko.

20 Ho ren'Andriamanitra ka hanetry an'ireny izy, izay mipetraka mandrakizay ao amin'ny fiketrahany. - Selà. Satria tsy misy finoana izy ireny, tsy manana ny tahotra an'Andriamanitra.

21 Maninji-tànana amin'izay mihavana aminy, mamadika ny fanekeny.

22 Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.

23 Miankìna amin'ny Tompo fa hanohana anao izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.

24 Ary hianao, ry Andriamanitra, dia hampidina azy any an-davaka fahaverezana; ireo olona mpandatsa-dra sy mpamitaka, tsy hahatratra ny antsasaky ny androny. Fa ny amiko kosa, dia hianao no ametrahako ny fitokiako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082