Ny Salamo
Toko faha-55
7 Ary hoy aho: Endrey! raha manana elatry ny voromailala mantsy aho, dia hanidina sy hipetraka amim-piadanana;8 dia handositra lavitra dia lavitra aho, ka honina any an'efitra any. - Selà.
9 Hitady fialofana faingana aho, lavitra ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra.
10 Tompo ô, aringano izy, ary akoroy ny fiteniny! fa ao an-tanàna dia heriny sy ady no hitako;
11 Voahodidiny andro aman'alina ny mandany; ny heloka sy ny fampahoriana no ao afovoany,
23 Miankìna amin'ny Tompo fa hanohana anao izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.