Ny Salamo

Toko faha-56

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ilay Voromailala gina any an-tany lavitra. Hiran'i Davida. Fony izy nosamborin'ny Filistina tany Geta.

2 MamindrĂ  fo amiko, ry Andriamanitra, fa milofo mamely ahy ny olona, miady amiko tontolo andro izy, sady manenjika ahy;

3 mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko.

4 Rahefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.

5 Amin'ny fanampian'Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan'ny teniny. Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona inona aho: Inona no ho efan'ny olona foana amiko?

6 Asiany sain-katezerana mandrakariva ny teniko; ao amiko no ambetin-keviny rehetra hamerezany ahy.

7 Mioko izy, mametraka mpitsikilo izy, mitsikilo ny diako izy, satria mikendry ny aiko.

8 He izany heloka mitambesatra aminy, ka aiza no hahafahany indray? Aringano amin'ny fahatezeranao ireo vahoaka ireo, ry Andriamanitra.

9 Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin'ny andro niainako, efa voangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokinao ireny?

10 Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin'ny andro hiantsoako anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.

11 Amin'ny fanampian'Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan'ny teniny. Amin'ny fanampian'ny Tompo no iderako ny fahatanterahan'ny fampanantenany.

12 Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho. Inona no ho efan'izay olona foana amiko?

13 Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko; hanatitra sorona fisaorana aminao aho.

14 Fa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana hianao, - moa va tsy niaro ny tongotro tsy ho solafaka? - mba handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947