Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 56, 10.11-12.13-14

       <10Ka dia hiamboho ny fahavaloko,
amin'ny andro hiantsoako anao;
fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.
       11Amin'ny fanampian'Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan'ny teniny.
Amin'ny fanampian'ny Tompo no iderako ny fahatanterahan'ny fampanantenany.
       12Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho.
Inona no ho efan'izay olona foana amiko?
       13Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko;
hanatitra sorona fisaorana aminao aho.
       14Fa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana hianao,
- moa va tsy niaro ny tongotro tsy ho solafaka? -
mba handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona. >