Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 56, 2-3,9-10ab,10c-11,12-13,

       <2MamindrĂ  fo amiko, ry Andriamanitra, fa milofo mamely ahy ny olona,
miady amiko tontolo andro izy, sady manenjika ahy;
       3mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy,
maro izy ireo miandranandrana miady amiko.
       9Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin'ny andro niainako,
efa voangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko;
moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokinao ireny?
       10Ka dia hiamboho ny fahavaloko,
amin'ny andro hiantsoako anao;
fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.
       11Amin'ny fanampian'Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan'ny teniny.
Amin'ny fanampian'ny Tompo no iderako ny fahatanterahan'ny fampanantenany.
       12Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho.
Inona no ho efan'izay olona foana amiko?
       13Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko;
hanatitra sorona fisaorana aminao aho. >