Ny Salamo

Toko faha-57

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran'i Davida, fony izy nenjehin'i Saola, niery tao amin'ny zohy.

2 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan'ny fanahiko fiarovana, amin'ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan'ny loza.

3 Mitaraina amin'Andriamanitra Avo indrindra aho, ilay Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra ho ahy.

4 Haniraka famonjena avy any an-danitra ho ahy koa izy; - fanalam-baraka no atolotry ny mpanenjika ahy! - Selà. Haniraka ny hatsaram-pony amam-pahamarinany Andriamanitra.

5 Mandry eo afovoan'ny liona aho, dia ao afovoan'ny olona miloak'afo, izay manana lefona aman-jana-tsipìka, ho solon'ny nify; ary sabatra maranitra no lelany!

6 Misandrata any ambonin'ny lanitra hianao, Andriamanitra ô! Hamirapiratra ambonin'ny tany rehetra anie ny voninahitrao!

7 Namela-pandrika teo alohan'ny diako izy; efa nitanondrika sahady ny fanahiko; efa nihady lavaka teo anoloako izy: ny tenany ihany no latsaka tao! - Selà.

8 Tafaorina mafy ny foko, ry Andriamanitra, tafaorina mafy ny foko; hihira aho ary hampanakoako zava-maneno an-kafaliana.

9 Mifohaza hianao, ry voninahitro! Mifohaza hianareo, ry valihako amana harpako! Hampifoha ny maraina aho!

10 Hidera anao eo amin'ny vahoaka aho, ry Tompo, hankalaza anao eo amin'ny firenena aho.

11 Fa mahatakatra ny lanitra ny tsy fivadihanao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.

12 Misandratra any ambonin'ny lanitra hianao, ry Andriamanitra, hamirapiratra ambonin'ny tany rehetra anie ny voninahitrao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845