Ny Salamo

Toko faha-58

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran'i Davida.

2 Ny tsy fitenenana va no amoahanareo fitsarana? Araka ny rariny va no itsaranareo, ry zanak'olombelona!

3 Tsia, mamorona hevi-dratsy ao am-ponareo hianareo, amidinareo an-danjany eo amin'ny tany ny fanaovan'ny tànanareo an-keriny.

4 Simba hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy, mania hatramin'ny fony vao teraka ny fandainga.

5 Manahaka ny poizin'ny menarana ny poizina aminy, dia ny an'ny menarana marenina, izay manentsin-tadìny,

6 ka tsy mihaino izay feon'ny mpahavariana azy, ny feon'ny mpanasondriana izay kinga amin'ny fahaiza-manasondriana.

7 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny ao am-bavany; ry Iaveh ô, omboty ny valanoranon'ireo liona tanora!

8 Aoka ho tonga foana toy ny riaka mandalo! Raha mametraka zana-tsipìka, dia aoka ho dombo, izy ireo!

9 Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana! Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta izy ireo!

10 Raha mbola tsy maimbo tsilo akory ny vilaninareo, dia hindaosin'ny oram-baratra ireny, na ny lena na ny maina.

11 Hifaly amin'ny fahitana ny famaliana, ny marina; handro tongotra amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy.

12 Ka dia hiteny hoe ny olona: Eny misy valiny tokoa ho an'ny marina, misy tokoa Andriamanitra izay mitsara ety ambonin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0938